Fankalazana ny 21 jiona Andron’ny Baiboly

Diaben'ny Baiboly tany Tsiroanomandidy nanokafana ny Andron'ny Baiboly, 18 jiona 2011

21 jiona 1835 – 21 jiona 2011, feno 176 taona ny Baiboly Malagasy . Ny FMBM dia manamarika hatrany io vanim-potoana io isan-taona satria io no ANDRON’NY BAIBOLY.

21 jiona, Andron’ny Baiboly:  Endrika maro samihafa no nentina nanamarika izany

 Endrika maro samihafa no nentina nanamarika izany manerana an’I Madagasikara sy  tany amin’ireo

Afisy nampahafantarana ny olona hanatrika ny fampirantiana ny tantaran'ny Baiboly, Frantsa 21 jiona 2011

 

Firenena hafa izay misy Komitim-paritra na Fiangonana  Malagasy. Anisan’izany ohatra ny tany Frantsa izay notanterahana tao amin’ny Fiangonana  FPMA  Ex-Marseille  ka nahitana ny fampirantiana ny tantaran’ny Baiboly Malagasy. Fa  nanamarika izany koa ny teto amin’ny Foibe FMBM tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana  ka nampahafantarana  ilay  hetsika fanohanana ny Baiboly “ Ariary Zato am-pinoana isan’andro” sy ny  tranoheva fivarotana Soratra Masina manoloana ny Foibe ka nahitana fihenam-bidy tamin’ireo vokatra  ho an’ny ankizy ary ny Herinandron’ny Baiboly. Fa niavaka tanteraka kosa raha ny tany amin’ny faritra Bongolava tao  Tsiroanomandidy satria dia tamin’ny alàlan’ny Diaben’ny Baiboly, Bibleton ary fandefasana  horonan-tsary masina no nanamarihana ny Andron’ny Baiboly ary dia fahombiazana tanteraka izany hetsika izany izay niarahana tamin’ny Komitim-paritra tao an-toerana.