VOANTSINAPY 2013 Première édition réussie

Un grand défi: foi mise à l’épreuve

voantsinapy 2013

VOANTSINAPY 2013 a été un grand défi pour la Société Biblique Malgache ainsi que ses partenaires. Le résultat a été plus que surprenant car plus de 27 000 enfants ont répondu à l’appel et sont venus au Coliseum Antsonjombe le samedi 15 juin dernier. Nos prières ont bien été exaucées, pourtant, c’était la toute première édition. Selon l’expérience de ceux qui ont déjà utilisé le Coliseum, ce dernier n’est pas le plus facile à remplir, vu qu’il se situe un peu à la périphérie mais pas en pleine ville. Mais cela n’a guère empêché les plus petits de venir en aussi grand nombre.

Rien que des enfants: l’objectif à été atteint

voantsinapy 2013

De la joie, des louanges ainsi qu’une occasion pour beaucoup d’enfants de prouver leur savoir-faire quand on leur confie toute la réalisation de ce qu’il faut faire. Le culte des enfants a été très apprécié par le public. Soulignons en passant qu’aucune personne adulte n’a participé à cela. Le petit groupe d’orchestre a bien réussi leur coup en surprenant tout le monde par leur incroyable talent. En un mot : l’objectif de ne faire intervenir que des enfants a bien été atteint!

Tavoahangin-drakitra: enfants offrant à des enfants

Voantsinapy a aussi été une occasion pour les enfants de montrer leur libéralité. Ils ont été invité à participer au travers le Tavoahangin-drakitra, un genre de tirelire pour collecter de l’argent afin de pouvoir produire des Saintes Ecritures pour leurs égaux. Plus de 2800 étiquettes ont été  distribuées pendant la journée du samedi

voantsinapy 2013

Et la suite ?

La majorité a affirmé sa satisfaction et a promis de ne pas rater une prochaine édition dans l’avenir. Notons que les  27 000 enfants qui ont été venus ont été récompensés de livres adéquats à leur âge respectif. Le feed-back de ceux qui ont été présents promet un Coliseum plein pour l’édition suivante. Espérons que les évènements de ce genre continuerons d’exister, tout en interpellant déjà des donateurs dans le cadre de l’éducation des enfants de nous prêter main-forte, pour pouvoir offrir plus que des livres pour ces petits enfants !

voantsinapy 2013

VOANTSINAPY 2013

VOANTSINAPY 2013

Hetsika voalohany: FAHOMBIAZANA

Fanamby sarotra, nitaky finoana

voantsinapy 2013

Fanamby lehibe no niandry ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy sy ireo Fikambanana maro niara-niasa akaiky taminy nandritry ny fanomanana ny VOANTSINAPY 2013. Nody ventiny anefa ny rano natsakaina ary voazaha toetra ny finoana Voantsinapy satria ankizy manodidina ny 27 000 teo ho eo no namaly ny antso teny amin’ny COLISEUM Antsonjombe ny Asabotsy 15 jona lasa teo. Tiana (anefa) ny manamarika fa sambany no nikarakarana izao hetsika izao. Raha ny traikefan’ireo efa zatra mampiasa ity toerana ity dia somary manano sarotra hatrany ny famenoana ity kianja be ity noho izy somary nahazo sisin-toerana fa tsy ampovoan-tanana. Tsy nahasaka ireo ankizy marobe anefa izany rehetra izany.

Ankizy ranoray: tratra ny tanjona

voantsinapy 2013

Fifaliana, fiarahana nidera ary indrindra sehatra nanehon’ireo ankizy marobe ny fahaiza-manaony tanteraka rehefa ankinina aminy manontolo ny fanatontosana rehetra. Nanaitra ny maro ilay fanompoam-pivavahan’ankizy izay tsy nisy mpandray anjara olon-dehibe na dia iray akory aza, nanome endrika manokana sy nahavariana ny maro ohatra ireo mpitendry zava-maneno isan-karazany izay ankizy avokoa. Tratra ny tanjona dia ny hoe: Ankizy ranoray.

Tavoahangin-drakitra: ankizy manome ho an’ny ankizy

voantsinapy 2013

Fa fotoana anankiray nahafahan’ny ankizy naneho ny fahafahany manolotra koa iny fotoanan’ny VOANTSINAPY iny. Nisy fanentanana manokana niantsona ireo izay vonona handray anjara amin’ny alalan’ny fanaovana tavoahangin-drakitra ahafahana mamokatra Soratra Masina ho an’ny ankizy hafa toa azy ireo. Maherin’ny 2800 ireo namaly ny antso tamin’izany.

Manao ahoana ny tohin’ny hetsika?

Afa-po avokoa ireo izay sendra anay ary nanamafy fa tsy hanao ambanin-javatra ity hetsika ity amin’izay andiany manaraka mety ho karakaraina. Tsara ho tsipihina  fa nahazo boky sahaza avokoa ireo zaza manodidina ny 35.000 tonga teny an-toerana ireo. Raha ny dom-berina avy amin’ireo tonga teny an-toerana no jerena dia azo antoka fa ho feno hipoka ny Coliseum Antsonombe amin’ny andiany manaraka. Irariana indrindra ny hitohizan’ity hetsika VOANTSINAPY ity, ary entanina sahady aza ireo malala-tanana sy ireo tompon’andraiktry ny sehatra mahakasika ny ankizy isan-tsokajiny hifanohana amin’ny fikarakarana ny hetsika toy itony, mba ahafahana manome mihoatra noho ny Boky mihintsy aza!

voantsinapy 2013